Nanazava bebe kokoa mikasika ilay famonoana teratany sinoa 2 nitranga teny Ivato ny faran'ny herinandro teo, omaly tetsy Ankadilalana ny solontenan’ireo zandary sy polisy nisambotra ilay sinoa ahiana ho nahavanon-doza.
Araka ny fanazavana, efa nakarina eto Antananarivo ity voapanga ity rehefa voasambotra tany Mahajanga. Olona 3 hafa ihany koa, izany hoe mpiray tsikombakomba aminy no efa eo an-tanan’ireo mpitandro ny filaminana saingy mbola mitohy hatrany ny fanadihadiana azy ireo amin’izao fotoana; mety misy ihany koa mpitandro filaminana tafiditra amin'ity raharaha maloto ity araka ny fanazavana azo ihany. Vao 24 taona monja moa ity sinoa nahavanon-doza ity ary efa nigadra efa-bolana tany sina, ary efa tena mersenera mpamono olona matihanina mihitsy raha ny fanazavana. Vola mitentina 5.040.000Ar sy finday avo lenta iray kosa no tratra farany niaraka taminy. Raha nanontaniana ny mikasika ny fampodiana itony vahiny nahavanon-doza teto amintsika itony moa ireo mpitandro ny filaminana dia nilaza fa ny fitsarana no manapaka izany. Raha iverenana ny raharaha, sinoa mivady no hita faty teny amin'ny Hotel lehibe Le Paon d'Or, herinandro lasa izay. Novonoina tamin'ny fomba feno habibiana izy ireo, notsatohana sy notsindronina tamina antsy ary nokapohana tamina maritoa. Hita teny Amboanjobe avy eo ny fiaran'izy ireo ary rehefa nitohy ny fanadihadiana sy ny fikarohana dia voasambotra tany Andranofasika-Mahajanga ilay teratany sinoa.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.