Actualités

Famonoana polisy tany Fenoarivo Atsinanana Olona 21 no nampidirina am-ponja


  • Alarobia 12 Desambra 2018

Raha 18 ireo olona nampidirina am-ponja vonjimaika rehefa nandalo ny fampanoavana tao Toamasina ny alatsinainy lasa teo mikasika ny raharaha nahafatesana polisy miiisa 3 tany Fenoarivo Atsinanana izay niharana ny fitsaram-bahoaka dia tafiakatra 21 izy ireo amin`izao fotoana izao .

 

 

 

 

 Ny iray kosa nahazo fahafahana vonjimaika . Miandry ny fitsarana azy ireo ireto voampanga ireto raha ny vaovao avy any Toamasina. Saika samy tao Ambodihazinina Fenoarivo Atsinanana sy manodidina azy koa moa no nisamborana voarohirohy sy voafatotra tamin`ity raharaha ity nahafantesana polisy telo ity. Raha hiverenana ny tranga niseho dia polisy inspektera hamita iraka hanara-maso sy hanao tatitra momba ny lavanila any an-toerana no niarahana ny fitsaram-bahoaka ireo ny 24 oktobra 2018 lasa teo . Taorian`izay dia samy nametraka ny fitoriana teo anivon`ny fitsarana ny fivondronan`ny inspektera eto Madagasikara , ny fikambanana samihafa, ny fianakavian`ireo namoy ny ainy hatramin`ny minisiteran`ny filaminam-bahoaka izay nanambara ny fanamelohany tanteraka ny fomba nitrangan`izany. Mitohy ny fanadihadiana sy ny famotorana. 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT