Actualités

Famonoana ny kapiteny Falihery Misokatra ny fanadihadiana lalina


  • Zoma 25 Septambra 2015

Ny « Section de recherche » avy eo anivon’ny zandarimariam-pirenena ao Toliara no misahana ny fanadihadiana tamin’ny nahafaty ny kapiteny Andriantiana Falihery, lehiben’ny zandary tao amin’ny kaompanian’ny zandary tao Betroka teo aloha.

 

« Miasa mangina izahay  mba ho fahombiazan’ny fanadihadiana atao. Miasa ihany koa ny mpanome vaovao anay  manodidina an’io raharaha io ary mijery sy manaraka akaiky  ireo vaovao mivoaka  amin’ny  gazety  rehetra ihany  koa  izahay  mba tsy hisy ho  latsaka ny vaovao mety hilaina », hoy ny jeneraly iray  eo anivon’ny toby  Ratsimandrava.

Momba ny  famindran-toerana ireo zandary  eran’i Madagasikara  indray dia  manamafy  ity jeneraly ity fa manana ny  mpibaiko azy ny  zandarimariam-pirenena fa tsy  misy idiran’ny  manampahefana sivily. Momba  ny  fananana rohim-pihavanana eo anivon’ny  zandary indray dia nanambara ny tenany  fa toe-javatra  ara-drariny ary ao anatin’ny maha olona ny fisian’ny  mpihavana amin’ny sehatr’asa rehetra fa tsy midika  kosa izany fa hifampiaro  amin’ny ratsy na samy  zandary aza  satria tsy  misy ny  ambonin’ny  lalàna.

May volon-tratra ny mpanao afera basy

Momba  ny  raharaha Betroka  dia re ihany koa izao fa nametraka fitoriana eny anivon’ny  fitsarana  ambaratonga  voalohany ao Betroka  ilay zandary  voaratran’ilay  manamboninahitra ambony  miaramila noho ny  fampifangaroana olona. Afak’omaly  tao Betroka dia nalaza be fa nisy  tompon’andraikitra  ambony mivezivezy eran’ny  tanàna  miaraka amina fitaovam-piadiana sy bala amin’ny  kesika te hitady toerana hanafenana izany, saingy tsy  nisy nety nandray ny  olo-pantany ka hany heriny nitondra ilay  fitaovana niala an’i Betroka. 

Andry Ratovo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT