Actualités

Famonoana ny kapiteny Falihery Hanaratsy endrika ny Filoham-pirenena


  • Zoma 02 Oktobra 2015

Mety hanaratsy endrika ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina ny hiafaran’ity raharaha namonoana ny kapiteny Andriantiana Falihery komandin’ny kompanian’ny zandary tao Betroka teo aloha ity. Ny fiandohan’ny herinandro teo mantsy dia nisy «message» tonga tany Betroka avy amin’ny ambaratongam-pahefan’ny zandarimariam-pirenena ambony indrindra ary nandalo tany amin’ny faripiadidiam-paritra na «circonscription régionale» ny zandary tany Toliara fa miala amin’ny maha «commandant ny peloton azy ao Betroka ny adjida sefo Casmir ary tsy maintsy mifindra haingana any Toliara

 

. Nanambara anefa, hono, ity zandary izay havana akaikin’ny depiote Randrianasolo Jean Nicolas ity fa tsy salama ka tsy mbola handeha sady tsy mamonjy ny “rassemblement”. Akory anefa ny hagagan’ny tao Betroka omaly fa zandary mirijarija be no namonjy ny fanadihadiana natao ny adjida Tsiliva. Notorian’ny depiote Randrianasolo Jean Nicolas tamin’ny lehiben’ny zandary taty amin’ny toby Ratsimandrava mantsy ny adjida Tsiliva fa nanalabaraka azy tamin’ny tranonkalam-pifandraisana, hono, sady manalabaraka zandary noho izy tsy nanisy sefo ny gradin’ny adjida sefo Casmir izay lasa vavolombelona tamin’ity fitoriana ity.

Ny Adjida Tsiliva moa izay tsy mety miresaka amin’ny mpanao gazety mihitsy noho ny tahotra satria malaza be any Betroka fa olona akaiky ny Filoham-pirenena ny depiote Randrianasolo Jean Nicolas ka mety ho afaka manao izay tiany hatao. Izay no andikan’ny olona any an-toerana ny tsy namonjen’ny adjida sefo Casmir ny antso ataon’ny lehibeny any Toliara. Ny depiote rahateo miseho amin’ny fahitalavi-pirenena hatrany ka mampitombo izay tahotry ny olona izay, hany ka mety hahatonga ny fahatezeran’ny olona amin’ny Filoham-pirenena amin’ny zavatra tsy fantany akory 

Manodidina ity fanadihadiana ny amin’ny namonoana ny kapitenyAndriantiana Falihery ity mantsy dia efa misy sivily avy any ambanivohitra voatazona ao Betroka hanampy ireo vavolombelona ao an-tampon-tanàna hanondro izay rangory fototry ny afo. Mbola mandeha ny fanadihadiana fa araka ny vaovao voaray avy any an-toerana dia misy amin’ireo mpikambana ao amin’ny OMC any an-toerana ihany koa mahalala zavatra nandritra ny fivoriana farany natao niaraka tamin’ny kapiteny  Andriantiana Falihery.


Ra-bri

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT