Actualités

Famonoana ny filoha lefitry ny toby akamasoa Zaza notezainy sy anadahiny no nahavanon-doza


  • Zoma 19 Aogositra 2016

Olona telo hatramin’ny omaly no efa voasambotra taorian’ny famonoana ny filoha lefitry ny toby Akamasoa eny Andralanitra, naorin’ny mompera Pedro.

  Zaza notezainy  izay vao 14 taona monja ny iray amin’izy ireo raha anadahiny ny iray.  Efa nampidirina any amin’ny toby fitaizana zaza maditra moa io zaza tsy ampy taona io raha efa nalefa eny amin’ny fonjaben’Antanimora kosa kosa  ny roa ambiny. Mbola tadiavina kosa ny lehilahy iray 20 taona izay fantatra fa tafiditra tamin’ny fanalana ny ain’ity renim-pianakaviana iray ity ihany koa. Raha tsiahivina, ny sabotsy 13 aogositra lasa teo no niakatra fitsarana ny raharaha.  Olona miisa 33 no voarohirohy tamin’izany saingy ireto efatra voalaza etsy ambony ireto no tena  nahavanona ny loza. Raha araka ny vaovao azo  dia tsy nisy antony lehibe izay manao ahoana loatra ny namonoan’izy efa-dahy ireto ity renim-pianakaviana  filoha lefitry ny toby Akamasoa eny Andralanitra ity. Tao anaty tatatra  fandehanan’ny rano maloto raha tsiahivina no hita ny vatana mangatsiakany, volana maromaro lasa izay. Zazalahy kely iray handeha hividy sakafo maraina no nahita azy ka nampandre ireo tompon’andraikitra tao an-tanàna.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT