Actualités

Famonoana mpisolovava teny antanimena Tsy nisy tsindry bokotra izany ny fanadihadiana…


  • Alakamisy 06 Desambra 2018

Namaly ireo vaovao nivoaka an-gazety maro samihafa mikasika ilay raharaha famonoana mpisolovava nitranga teny Antanimena iny omaly ny kolonely Randriamanantena Pascal, lehiben’ny sampana misahana ny ady heloka bevava eo anivon’ny zandarimariam-pirenena Fiadanana.

 

 

 Nambarany fa tsy nisy resaka tsindry avy any amin’ny manampahefana avy any ambony izany ny fandraisan’izy ireo an-tanana iny raharaha iny fa nitovy tamin’ny raharaha rehetra ihany. Tsy nisy fijerena ny maha mpisolovava na maha zanaka jeneraly, hoy izy nandritra ny famotorana natao. Mikasika ny vaovao nivoaka ihany koa fa tsy tonga teny amin’ny Fitsarana ilay mpisolovava nandritra ny fiakaran’izy roalahy fampanoavana ny talata lasa teo dia nambarany fa  tena tonga teny tokoa izy nanatrika. Nomarihiny manokana fa nitory ilay mpisolovava ihany koa ilay zanaka jeneraly roalahy  na dia efa naiditra am-ponja vonjimaika aza miandry ny fitsarana azy. Fikasana ny hamono sy familiana fiara tao anatin’ny hamamoana no hanenjehan’izy ireo ilay mpisolovava.  Eny anivon’ny fampanoavana moa ity fitoriana ity ankehitriny, raha araka ny nambarany hatrany. Nomarihin’ity jeneraly ity fa tsy nisy ambadika hafa akory ny tsy nahafahan’izy ireo  nijery ilay maratra tany amin’ny hopitaly ny faran’ny herinandro teo fa tsy maintsy niandry fahazoan-dalana avy amin’ny dokotera izy ireo. Mbola karohina fatratra kosa ilay olona fahatelo hita tao anatin’ilay horonantsary niparitaka iny.

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT