Actualités

Famonoana ilay Sinoa tao Ambolomadinika Vola 4 tapitrisa Ar no karaman’ilay mpiasa atidoha


  • Talata 25 Novambra 2014

Taorian’ny fahatrarana an’i De paul anisan’ireo jiolahy nitifitra ilay sinoa tao Ambolomadinika ny alarobia 19 novambra, noho ny fahafatesan’ny moto scooter nentiny dia niroso haingana ny fanadihadiana ny raharaha nataon’ny ekipan’ny kaomisera Razafindahy Manitra Fleurys sy ny polisy misahana ny heloka bevava

I De Paul  no nanoro fa i Carl mpiasa mahatoky no niaraka tamin’ilay sinoa nandritra ny fitifirana azy. Nambarany fa mitondra vola 35 tapitrisa Ar ny “patron”-ny. Nandritra izay anefa dia fantatra fa 4 tapitrisa Ar no anjarany tao anatin’ny raharaha. I Carl indray no nanoro ity jiolahy iray avy any Ambovombe Androy niara-niketrika taminy ny fanafihana, izay efa nokendrena natao ny alatsinainy 17 novambra saingy tsy tanteraka. Ity jiolahy iray mbola hifampitadiavana ity kosa anefa nandritra ny resaka nifanaovany tamin’ny Carl namandrihana azy, no nahalalana fa hisy fotoana izy ireo ny alarobia antoandro teny amin’ny “port fluvial” ka teny no nanaovan’ny polisy ny vela-pandrika hisamborana azy ireo. Raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny ekipan’ny kaomisera Razafindahy Manitra sy ireto jiolahy, ka naratra mafy tamin’izany ny 2 dia i Botosoa sy Laha Manosoa izay avy any Ambovombe Androy avokoa. Tafaporitsaka kosa ny jiolahy iray nitondra ny vola saika hifampizarana. Tratra tamin’ireo jiolahy azo ireto ny basy “5x5 RS 24715”. Niaiky koa anefa ny polisy fa jiolahy “vaovao” tsy mbola manana antontan-taratasy sy tahirin-kevitra eo anivon’izy ireo ireto jiolahy ireto. Na izany aza, efa voakilasy ho jiolahy mamoadoza izy ireo.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT