Noho ny namonoan'ny zandary an'i Ludovic dia hisy ny hetsika goavana ataon’ireo Hery Velona ao Tolagnaro ho fanairana ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny noho ny tsy rariny tamin’ny famonoana feno habibiana natao an’i Ludovic. Mafampana ny toe-draharaha any an-toerana amin’izao fa atahorana ny hisian’ny fifanjevoana.
Nifandimby namory mpanao gazety ireo voakasika amin’ity raharaha ity. Nisantatra izany ny lehiben ny fampanoavana izay nilaza ny habibiana nataon'ny zandary ao amin'ny vondrom-paritra Anosy eo ambany fiahian'ny Lt Kly Theodule. Ny lehiben'ny fampanoavana dia nanameloka ny zava-doza misy ao Tolagnaro noho ny hetraketraky ny kapiteny Faneva sy ny Sous Lt Yvan ary ilay zandary vavy mpiza-draharaha. Hohafainganina ny fanadihadiana ary tsy maintsy faizina ny mandika lalàna. Manaporofo izany ny baiko nomen’ny lehiben'ny zandary ny hanokafana izay fanadihadiana izay. Samy nanameloka ity herisetra niharo habibiana namonoan’olona nataon’ny zandary ity avokoa ireo tompon’andraikitra ao Tolagnaro ary samy nanamafy fa tsy maintsy ampiharina ny lalàna
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.