Actualités

Famonoana an’ i Dovic tany Tolagnaro Nidoboka any am-ponja ilay lietna sy ireo zandary roa


  • Alakamisy 05 Febroary 2015

Nidoboka ilay zandary Lietna sy ireo zandary 2 hafa, nafahana vonjimaika kosa ilay zandary vehivavy mpiza-draharaha nahiana ho namono nahafaty an'i Dovic.

 Izany dia tohin'ny fanadihadiana nataon’ireo zandary iraka manokana tany Taolagnaro ny fiandohan'ny herinandro teo iny. Voalaza fa efa samy nandalo teo anatrehan'ny mpitsara mpanao famotorana tao amin'ny fitsarana ambaratonga voalohany any Taolagnaro avokoa ireo voarohirohy. Marihina fa nataon'ireo mpamono toy ny nandevina alika i Dovic, herinandro vitsy lasa. Anisan'ny nanembantsembana ny fiarahamonina tany Anosy ny hetraketraky ny mpitandro ny filaminana avy amin'ny zandary ireto. Tanteraka ny fangatahan'ny havan'ny maty. Tsara ny mampahafantatra fa tonga tany an-toerana mihitsy nijery ifotony ny tranga ny minisitry ny fitsarana Ramanantenasoa Noeline sy ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria ny Jly Paza Didier.

 

OTH

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT