Actualités

Famonoana 3 mianaka 1 migadra mandra-pahafaty, afaka ny ambiny


  • Alakamisy 21 Novambra 2019

Olona iray migadra mandra-pahafaty. Afaka noho ny fisalasalana kosa ireo ambiny voarohirohy tamin’ny vono olona

 

 

mahatsiravina nahafatesana olona 3 mianaka dia mpivady vao erotrerony antsoina hoe Nantenaina (31 taona) sy vadiny Juliana (30 taona) ary ny zanany vavikely vao 5 taona tao Imerintsiatosika ny faramparan’ny volana aogositra 2018. Izay no didy nivoaka omaly tany Arivonimamo. Raha tsiahivina ny tantara, notafihina, nampijaliana, naolana ilay renim-pianakaviana, ary novonoina tamin’ny fomba feno habibiana tamin’ny alalan’ny tsindron’antsy maro be ireto olona ireto. Tovolahikely iray zanak’izy ireo no tsy lasibatra noho izy tsy tao an-tokantrano. Nisy 7 voarohirohy tamin’io raharaha io, ka 2 lahy no naiditra vonjimaika teny Tsiafahy. Io nivoaka io anefa ny didin’ny fitsarana, saingy milaza ho tsy afa-po ny fianakaviana. Olona maromaro no nosamborina tamin’io raharaha io, ka ny iray no voalaza fa tena nandray anjara. Olona akaiky azy ireo ihany no voarohirohy. Mampanahy ary miteraka adihevitra ity didim-pitsarana ity. Tsy lojika ary tsy azo hinoana ho olona iray monja no hahavita hanafika sy hanolana ary mbola mahalatsaka ain’olona telo be izao, fa tsy maintsy olona maromaro, hoy ny fanehoan-kevitra. Andrasana ny mety mbola ho fivoaran’ity raharaha ity, izay mety hiakatra amin’ny ambony kokoa.

 

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT