Actualités

Famonoan-tena nisesy tao Antsirabe 1 maty, 2 avotra soa aman-tsara


  • Alarobia 21 Aogositra 2019

Tovovavy roa tokony ho 17 taona no tsy hay na niara-namono tena omaly tao Antsirabe, izay samy avy any Andranomanelatra avokoa no fiavian'izy roa vavy ireo, ary mbola samy mpianatra avokoa, araka ny fampitam-baovao.

 

 

Nentin'ny havany novonjena teny amin’ny hopitaly Andranomadio izy ireo, saingy teny an-dalana dia tsy tana ny ain'ilay tovovavy iray ary avotra kosa ilay iray hafa. Poizim-boalavo no namonoan'izy ireo tena, raha ny fanamarihana vonjimaika nataon’ny mpitsabo. Ankoatra an'io dia re ihany koa fa nisy lehilahy iray hafa namono tena ny alatsinainy teo, ka fanodinkodinam-bola 30 tapitrisa ariary tamina banky iray no antony nanaovany izany, raha ny vaovao azo. Avotra ny ainy ary mbola manaraka fitsaboana, raha ny fampitam-baovao hatrany. Olona telo samihafa izany no indray namono tena tao Antsirabe tamin’ity fiandohan’ny herinandro ity.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT