Avy amin’ny tatitra nataon’ny BNGRC na ny Birao nasionaly misahana ny loza voajanahary eto amintsika izay nanambara fa nahatratra 81 ny isan’ireo maty tamin’iny fandalovan’ny rivodoza Enawo farany teo iny ary nahatratra 253 ireo naratra, 4 839 985 ireo traboina ary 274 318 ireo voatery hafindra fonenana …
dia namoaka didim-panjakana laharana 2017-174 ny governemanta malagasy ny 13 martsa lasa teo niantso fanampiana avy amin’ny firenen-drehetra eran-tany fa tsy ampy hamonjena ny loza nihatra intsony ny eo am-pelatanana. Omaly alakamisy 23 martsa kosa dia anjaran’ny SNU na ny rafitra Firenena Mikambana notarihan-dRtoa Violette Kakyomya mpandrindra izany eto Madagasikara niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy rehetra natrehan’ny minisitra Bary Rafatrolaza sy ny filohan’ny Bngrc no namadika izany antso izany, tetsy amin’ny trano fivorian’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny Malagasy tetsy Anosy, ho antso iraisam-pirenena hitadiavana fanampiana 20 tapitrisa dolara hamonjena olona 250 000 voakasik’ity rivodoza Enawo ity. « Flash appeal » na “Appel Éclair pour Madagascar” noho ny fiantraikan’ny fandalovan’i Enawo teto Madagasikara no niantsoana ity antso ity. Avy hatrany dia namaly izany nivantana teny an-toerana ny masoivohon’i Korea miasa sy monina eto amintsika ka nanambara fa manolotra 50 tapitrisa dolara amerikanina avy hatrany ity firenena ity ho fandraisany anjara.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.