Manam-pikasana hanitatra ny orinasany eto Madagasikara ny Holcim Madagasikara raha ny nambaran'ny Tale jeneraly, Atoa Pascal Naud mba ahafahan'izy ireo mampitombo avo telo heny ny vokatra simenitra vokarin'izy ireo amin'izao fotoana
. Olana eto Madagasikara anefa ny tsy fahampian'ny herinaratra sy ny halafosany satria raha ity orinasa ity dia mila angovon'aratra hatramin'ny 9 MW saingy ny 3,5 MW ihany no ampiasain'izy ireo amin'izao fotoana. Anisan'ny olana goavana ihany koa ny fisian'ny kolikoly sy ny tsy fisian'ny fifaninanana ara-drariny eto Madagasikara ary ny lafiny hetra na dia orinasa faharoa mampiditra hetra betsaka amin'ny fanjakana aza ny Holcim aorian'Ambatovy. Manodidina ny 20 miliara Ariary isan-taona izany, araka ny tatitra navoakan'ny EITI. Manodidina ny 450.000 taonina isan-taona ny vokatra simenitra avoakany. Nanambara moa ny Minisitra Jules Etienne nandritra ny fitsidihana ny orinasa ny alakamisy 06 novambra fa vonona ny tenany hiady ho an'ny fanampiana ny orinasa mitondra fampandrosoana an'i Madagasikara toy itony, indrindra amin'ny fanamorana sy ny fanampiana azy ireo amin'ny lafiny rehetra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.