Actualités

Famokarana Herinaratra Toby « hydrolienne » 80 apetraka manerana ny nosy


  • Alatsinainy 13 Mey 2019

Hampiroboroboana eto Madagasikara ny fampiasana ny teknolojia famokarana herinaratra "hydrolienne". Lakandrano kely no ampiasaina mba hahafahana mamatsy herinaratra tsy an-kiato ny tanàna.

 

 

 

Nandritra ny fitsidihany ny tobim-pamokarana herinaratra tao amin'ny tanànan'Amboarakely kaominina Ambatolaona, ny sabotsy 11 mey lasa teo, no nanambaran'Atoa Vonjy Andriamanga, minisitry ny angovo, ny rano ary ny akoranafo fa tobim-pamokarana 80 mampiasa ity teknolojia ity no kendren'ny minisitera apetraka manerana an'i Madagasikara. Tanjona ny hametrahana paikady sy ny vahaolana iarahana amin`ny lafiny angovo sy ny herinaratra. Marihina hatrany fa ny angovo no fanoitra voalohany ho an`ny fampandrosoana. Saika manerana ny nosy no iharan`ny fahatapahan-jiro ary mizaka ny fatiantoka aterak`izany ny mpanjifa. Mila vahaolana fohy ezaka sy lavitrezaka ny rehetra satria vina lavitrezaka ny fametrahana toby famokarana herinaratra, indrindra na dia angovo azo havaozina no ampiasaina amin`izany mba hialana amin`ny fiovaovan`ny vidin-tsolika.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT