Actualités

Famokarana herinaratra Mbola manjaka tokana ny Jirama


  • Alatsinainy 02 Febroary 2015

Miankin-doha tanteraka amin’ny Jirama ny tokantrano Malagasy, raha ny valin’ny fanadihadiana niarahan’ny Instat sy ny Banky iraisam-pirenena tamin’ny volana desambra 2014 no asian-teny

 . Fantatra fa ny 50,3%-n’ireo tokantrano 1.517 nohadihadiana no mampiasa herinaratra ao amin’ny trano fonenan’izy ireo. Ny 87,7% amin’io salan’isa no manjifa ny tolotra aroson’ny orinasa Jiro sy Rano Malagasy. 75% izy ireo no mpanjifa an-tanàn-dehibe raha 37% kosa eny amin’ny tontolo ambanivohitra. Ambaran’ny tatitra moa fa mamokatra ny 96%-n’ny herinaratra an-drenivohitra sy ny 78,1%-n’ny tanàna ivelan’ny tanàn-dehibe ny Jirama. Voaresaka ao ihany koa fa nanodidina ny 44,2% ny salanisan’ny tokantrano niharan’ny delestazy isan’andro nandritra ny herinandro mialoha ny fanadihadiana ka ny tokantrano eny ambanivohitra ny 52,4% tamin‘izany. Tsy latsaky ny 6 ora ny fahatapahana. Tena manjaka tokana izany aloha hatreto ny Jirama saingy vonona ny hividy lafo ny herinaratra ny 47,2%-n’ireo tokantrano nanontaniana raha mihatsara ny tolotry ny kalitao omen’ny ity orinasam-panjakana ity.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT