Actualités

Famokarana angovo Ho avy ny orinasa Dangote


  • Alakamisy 10 Martsa 2016

Nodinihina naharitra nandritra ny fihaonan’ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina sy ny Tale jeneralin’ny orinasa

 

nizerianina Dangote, Serigne Aramine Mbacke teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha omaly ny resaka famokarana angovo eto Madagasikara. An-dalam-pamolavolana ny tetikasa iarahan’i Madagasikara sy ny Dangote miasa, momba izany izay heverina ho vita ato anatin’ny iray volana eo. Ny hitady fiaraha-miasa amin’i Madagasikara no anton-dian’i Serigne Aramine Mbacke teto.

Malaza amin’ny famokarana simenitra, siramamy, fitaterana indrindra ny solika sy akoranafo ny orinasa Dangote. Teratany nizerianina, mpanankarena indrindra aty Afrika no tompony. An-dalam-pananganana foibe fanadiovana solitany anisan’ny lehibe indrindra aty Afrika ny orinasa, izay haorina any Nizeria ary mamokatra 650.000 barils isan’andro, ary kendrena hovitaina amin’ny 2018.

Jean D.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT