Tontosa omaly maraina ny lanonana famoahana ofisialy ny andiany miisa telo avy ao amin’ny Sekoly ambonin’ny Zandarimariam-pirenena (ESGN) tany Moramanga, Faritra Alaotra Mangoro.
Ny andiany faha-24 nanaraka ny « cours supérieurs de commandement », ny andiany faha-43 avy amin’ny « cours d’Application des Officiers » ary ny andiany faha-57 nanaraka ny « cours de Brevet professionnel de premier degré » ireo nivoaka ireo. Niofana nandritra ny volana vitsivitsy tao ao amin’ny ESGN izy ireo, izay mitotaly 154.
« Ny fahendrena, ny fahamendrehana sy ny fahamarinana no tokony ho fototra hiainan’ny mpitandro filaminana, indrindra amin’ny fanatanterahana ny asany », hoy ny praiministra lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian tany an-toerana.
Notolorany fisaorana manokana ny fianakaviamben’ny zandary satria manomboka miverina tsikelikely, hoy izy ny fifampitokisana eo amin’ny vahoaka Malagasy sy ny mpitandro filaminana, ka anisan’ny nitondra anjara biriky tamin’izany ny teo anivon’ny Zandarimaria. Navoitra fa maro moa ny fepetra efa noraisina teo anivon’ity vondron’ny mpitandro ny filaminana ity, toy ny famongorana ny kolikoly, ny fanaraha-maso akaiky ny fampiharana nandalovan’ny tsirairay mba tsy hisian’ny fahamoran’ny fisondrotanana mariboninahitra. Nanao antso avo ho an’ny foloalindahy sy ny polisim-pirenena, ny Lehiben’ny governemanta, ny hamerenana indray ny hasin’ny firenena mba ho tena firenena mandala ny fahamarinana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.