Actualités

Famoahana voka-pifidianana Hisy hanakorontana ?


  • Zoma 18 Septambra 2015

Tonga ny andro manan-tantara, rehefa nandrasana nandritra ny iray volana sy tapany. Hivoaka anio tolakandro ny voka-pifidianana kaominaly natao tamin’ny 31 jolay 2015,

 

 anisan’izany ny teto Antananarivo Renivohitra. Raha ny vokatra vonjimaika aloha dia mazava ny fandresen’i Lalao Ravalomanana, kandida narotsaky ny Tiako i Madagasikara. Ireo mpifaninana aminy ihany koa efa manaiky io fandreseny io, toy ny vahoakan’Antananarivo iray vohitra. Andrasana ny fanamafisana avy amin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny Fanjakana anio, hametraka an’i Neny ho Ben’ny tanànan’Antananarivo. Hanan-tantara io, satria dia i Lalao Ravalomanana izany no vehivavy voalohany Ben’ny tanànan’Antananarivo. Fa eo am-piandrasana an’izay dia re indray fa misy andian’olona mikononkonona ny hidina an-dalambe, hilanja sorabaventy anio, hanohitra ny voka-pifidianana raha misy ny fanamafisana ny fandresen’i Lalao Ravalomanana. Zavatra hafa, manana endrika fanampiana ara-tsosialy anefa no hanangonana an’ireo olona ireo, avy eo hosasana atidoha amin’ny resaka politika ka hohararaotina ity voka-pifidianana io handrangitana azy ireo. Dia hiverina indray ny fanaovana fitaovana politika ny olon-tsotra, indrindra ireo sahirana ara-pivelomanana, mba hitadiavan-tseza sy voninahitra. Ny anio no hahitana azy, fa raha ny vahoakan’Antananarivo aloha dia efa mazava ny hafatra tamin’ny 31 jolay 2015, ary mitaky ny hanajana izay safidiny izay.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT