Actualités

Famoahana gadra hanao “kidnapping” Tsy maintsy fantatray ny marina, hoy polisy


  • Alarobia 20 Janoary 2016

Araka ny vaovao voaray dia mbola ho lava sy haharitra ny fanadihadiana ataon’ny etsy Anosy eo anivon’ny polisim-pirenena momba ny raharaha fakana an-keriny an’i Arnaud.

 

 Hatramin’izao dia mifantoka hatrany amin’i Lejao ilay zaodahin’i Freddy Jean Mahatody izay samy voasokajy ho atidoha tamin’ity raharaha ity ny polisim-pirenena.Mampanontany tena ny mpanao fanadihadiana amin’izao fotoana ny nahatafavoaka an’ity olona efa voafonja ity. Na tiana na tsy tiana dia tsy maintsy hahakasika mpitsara ihany ity fanadihadiana ity raha amin’io tranga voalohany io. Tranga mety hiseho faharoa indray ihany koa anefa dia ny hoe navoakan’ny mpiandry fonja tsy nahazoana alalana avy tamina mpitsara ihany koa i Lejao sy ireo namany hafa ka rehefa tratra ny afera dia mody atao hoe nanao MOP. Tsy maintsy hiseho eo amin’ny fanadihadiana atao avokoa anefa izany rehetra izany, hoy ny tompon’andraikitra iray ao amin’ny polisy mpanao famotorana na iza na iza tompon’andraikitra tamin’ny famoahana an’i Lejao io. Tsy vao sambany rahateo ny tranga toy izao no niseho, hoy hatrany ny tompon’andraikitry ny polisy iray fa efa niseho ihany koa tamin’ny nisamborana an’i Mahandry Fabien noho ny resaka fakana an-keriny ihany koa.

Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT