Actualités

Famindrana Terminus eny Androhibe Tsy manaiky ireo Taksibe 165


  • Zoma 22 Aprily 2016

Nitokona nandritra ny ora maro ny taksibe 165 mampitohy an’Androhibe sy Anosibe ny antoandron’ny alarobia lasa teo ka sahirana ny mpandeha teny Androhibe izay ahitana mpianatra sy mpiasa maro

 

monina any amin’iny faritra iny. Fiara 25 tamin’ireo 33 niasa no nitokona tsy niasa avokoa. Fanoherana ny famindrana ny terminus an’ity zotra ity ho eny am-pototry ny tanànan’Androhibe no fototry ny olana raha toa ka teo amin’ny toera-malalaka manoloana ny vavahadin’ny sekoly ambonin’ny Enam no nisy azy hatramin’izay. Mitaraina ireo mpitatitra fa manimba ny fiara ny fandehanana eny am-pototry ny tanàna. Sady tery ihany koa ny toerana eny no tsy azo antoka ny fandriampahalemana. Tena mampalahelo ireto mpitatitra ihany koa ny tsy mba nakana ny hevitr’izy ireo, araka ny fanazavan’ny mpamily sendra anay fa dia fanapahan-kevitry ny filohan’ny koperativa irery ihany izany kanefa ity filoha ity tsy manana fiara miasa ao, hoy hatrany ny fanambarana. Noho io fitokonana io moa dia nisy fiara izay nanjary nananan’ny andian’olona monina eny Androhibe kakay ka norahonan’izy ireo hopotehina. Nanambara ny hitondra ny raharaha eo anivon’ny fitsarana moa ireo tompona fiara satria fantatr’izy ireo ilay nilaza fa hamotika ny fiarany. Ramatoa Razafindratsiry Saholy, izay filohan’ny koperativa 165 kosa dia nanamafy fa noho ny fangatahan’ny mponina teny an-toerana izay mitaraina fa be entana no nahatonga ny fanapahan-kevitra namindrana ny terminus. «Efa niezaka mandamina ny olana ny komity eny an-toerana ka azo ambara fa efa milamina ny raharaha », araka ny nambarany. Momba ilay resaka fikasana ny hanimba ny fiaran’ny mpitatitra indray dia nanambara ramatoa filoha fa ireo nitokona tsy nety niasa no nila sotasota tamin’ireo izay te hiasa ka nahatonga ny disadisa.

Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT