Actualités

FAMINDRANA LOVA MAIMAIMPOANA Mitombo isa ny olona voasarika aminy


  • Sabotsy 03 Desambra 2016

Nitombo avo roa heny ireo olona tonga nanatona ny sampandraharaha sahaniny mahakasika ilay famindrana lova maimaimpoana karakarain’ny fitondram-panjakana, araka ny fanazavan’Andriamatoa Hasimpirenena, tale jeneralin’ny fananantany, omaly.

 Mbola mitohy mandritra ity volana desambra iray manontolo ity ny hetsika mba hanomezana fahafaham-po ny rehetra. Na dia ny 30 desambra ho avy izao aza vao tonga manatona ny sampandraharahan’ny fananantany  ireo olona mila ny fanampiana dia mbola azo tohizana  hatramin’ny volana janoary taona 2017 ny asa. Miantso izay rehetra tsy mbola nanatanteraka ny azy ny tenany hikarakarana ny taratasiny entina hisorohana ny ady tany izay mirongatra sy mahazo vahana eto amintsika. Tsy  hijanona hatreo  ny ezaka fa hiitatra amin-javatra hafa,  anisan’ireny ny fampiasana solosaina amin’ny fikirakirana ny taratasy  rehetra, tafiditra ao anatin’ilay tetikasa haharitra dimy taona hotanterahin’izy ireo.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT