Actualités

Famindran-toerana ny Bani Tsy manaiky ny miaramila ?


  • Talata 27 Oktobra 2015

Herinandro vitsivitsy lasa izay dia notaterina tamintsika fa marisarisa ny hanome ireo frantsay nahazo ny fitantanana ny seranam-piaramanidina eny Ivato sy ny any Nosy be indray ny fanjakana malagasy

 

. Araka ny vaovao voaray dia ny eo anivon’ny foloalindahy no marisarisa ka ny lehiben’ny  tafika ana habakabaka, hono, no tsy  mazoto. Ao anatin’ny  fifanarahana mantsy  dia  tokony hisy  fanitarana atao eny amin’ny  seranam-piaramanidina Ivato  ka mila  hakisaka ny  tobin’ny  miaramila Bani. Vao naheno izany anefa ireo  mpanamory fiaramanidina malagasy  izay efa mpandeha any ivelany any dia nihazakazaka tany  amin’ity  lehiben’ny tafika ity  ka nanoro hevitra azy tsy hanaiky ny fanakisahana ny tobin’ny Bani. Raha ny zava-misy eran-tany mantsy, hoy  ireo mpanamory  malagasy dia tsy maintsy  misy toby miaramila hatrany  akaikin’ny  seranam-piaramandina iraisam-pirenena. Mandeha ny feo  fa  saika hotambazana  vola 21 tapitrisa euros sy toby miaramila vaovao ho an’ny  Bani ny fanjakana fa ny  miaramila no tsy nanaiky. Mihazohazo noho  izany ireo  orinasa  frantsay tokony  handray ny fitantanana an’i Nosy be sy Ivato kanefa efa misy rangopohy tokony hatao ato ho  ato.


Andry Ratovo  

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT