Ny talen’ny fiarovana ny filoham-pirenena, ramatoa iray mpalonotsain’ny fiadidiana ny repoblika, mpiambina sy mpiaro ny lapam-panjakana, ireo no tonga tampoka teo anivon’ny fonja ben’i Toamasina Ambalatavoahangy nihazonana vonjy maika ireo 27 mianadahy,
sy ny kaomisarian’i Tanambao II izay manao ny fanadihadiana ireo olona tratra tamin’ny fanafahana an’i Arnaud tao Andranomadio naka azy ireo hafindra eo anivon’ny fonjan’Antanimora sy hanohizana ny fanadihadiana atao rehetra.
Tsy nampiseho taratasy mazava
Raha ny fanazavana azo aloha dia tsy nampiseho ny taratasy fahazoan-dalana avy amin’ny tonia mpampanoa lalàna ny fitsarana tampony momba ilay “Ordre de transfert” izy ireo; ny hany fantatra dia baiko nidina avy amin’ny filoham-pirenena izao hetsika nataon’izy ireo izao, izay tsy fantatra ny antony fa mety misy ifandraisany tamin’ny zava-nisy nampitroatra ireo mpitsara farany teo. Miisa 27 ireo nafindra eto Antananarivo ireo izay niainga tamin’ny 12ora sy 47min; ka miisa 21 ireo efa miandry fitsarana am-ponja amin’izany izay vehivavy ny 04; miisa 06 kosa ireo mbola mandalo fanadihadian’ny polisy izay vehivavy 02 amin’izany. Mbola ahitana polisy 02 sy mpandraharaha ny fonja iray ary mpandraharaha ara-toe-karena iray avy any Antalaha hafa ihany koa ao anatiny.“Mba manan-jo hahafantatra ny momba ny havanay izay, nefa izao tsy fantatra hoe atao inona izy ireo tsy nisy ihany koa ny fampilazana sy fampahafantarana anay. Tena voahitsakitsaka ny zonay, nefa atao ahoana fa baikon’ny filoham-pirenena izy ity ka tanterahana”, izay no nambaran’ireo fianakavin’ireo voafonja sy ireo voarohirohy amin’ity raharaha Arnaud ity samy nikoropaka nahita ny zava-nisy teo anoloan’ny fonja ben’i Toamasina omaly atoandro. Manomboka mampiaka-peo ihany koa ny tontolon’ny fitsarana sy ny mpitandro ny filaminana mikasika izao raharaha izao, ho hita eo ny tohiny.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.