Tsy neken’ireo mpikatroky ny antoko Mapar ny fanapahan-kevitra nivoaka avy eny anivon’ny Prefektioran’i Mahajanga ny amin’ny fanemorana ny famindram-pahahefana eo amin’ny Pds teo aloha Portos Houssen sy ny ben’ny tanàna vaovao Andriatomanga Mouktar Salim.
Tsy ao an-toerana mantsy ny prefektora. Nanao fanambarana tamin’ny fahitalavitra ireo mpikamban’ny Mapar fa tsy hanaiky ny fanemorana io daty io. Notsipahan’ireo andiana lehilahy izay mpomba ny Hvm ao an-toerana io fanambarana io. Omaly maraina dia nanentana ny vahoaka hidina sy hanotrona ny lanonana ny Mapar. Vao maraina dia efa tomefy olona ny manodidina ny lapan’ny tanàna, olona izay avy amin’ireo antoko politika roa ireo. Fotoana fohy taorian’io dia tonga ny ben’ny tanàna vaovao sy ny mpiambina azy ary ireo mpitari-tolon’ny antoko volom-boasary hanatitra ity farany ao amin’ny birao fiasany. Nobahanan’ireo mpomba ny Hvm ny varavarana mba tsy hisy afaka miditra ao anatin’ny lapa. Raikitra ny savorovoro sy ny fiantsiana isan-karazany. Tonga teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana nandamina ny raharaha ary voatery nakatona ny varavaramben’ny lapan’ny tanàna. Naparitaka ireo olona izay efa vonona ny hanakorontana. Farany, nanapa-kevitra ihany ny ben’ny tanàna vaovao fa hijanona hiandry ny datin’ny 16 oktobra izay nomen’ny Prefektora hanatanterahana ny famindram-pahefana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.