“Io ny kandidantsika, izaho no ho mpanolotsainy eo ka mila laniantsika izy. Raha lany izy dia ho avy eto aho hanatrika ny fametrahana azy ofisialy sy hanomana fety goavambe ho antsika ...”.
Anisan’ny tenin’ny filohan’ny Mapar Rajoelina io ny 26 jolay 2015 teo nandritra ny faradoboka ny propagandy nataon’ny Mapar teo amin’ny kianja lycee teknika Tanambao V. Natao omaly teo anoloan’ny lapan’ny tanàna ny fametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny ben’ny tanàna faha-15 ny kaominin’i Toamasina, Dr Ratsiraka Elysée Laurent, nefa tsy nipoitra i Andry Rajoelina fa solontena no tonga nahitana an’i Andriamananoro Augustin sy depiote Irma Naharimamy. Nandritra ny lahateniny dia ny fanadiovana amin’ny ankapobeny no toky nataon’ny ben’ny tanàna ho an’ny vahoakan’i Toamasina. Eo ny fanadiovana ny fitantanana feno halatra, betsaka fanodikodinam-bola, hisian’ny gaboraraka, anjakan’ny kolikoly ary misy fanamparam-pahefana tanteraka. Fampitandremana no nataony satria hilatsaka ny sazy sy ny fanenjehana mikasika izany, ary ho avy ny fandraisana fepetra amin’ny fandroahana mpiasa izay efa mampisy “ady mangatsiaka” eo amin’ireo miaro ny tombontsoany sy ny ekipan’ny ben’ny tanàna. Nandritra ny lanonana omaly ihany koa no nametrahana ny mari-boninahitra “commandeur de l’ordre national” ho an-dRatsiraka Elysée Laurent. Ankoatra izay, tsy niresaka momba an-dRajoelina mihitsy ny ben’ny tanàna Mapar, nefa nambarany hatramin’izay fa i Andry Rajoelina no mpanolotsaina azy voalohany amin’ny asany. Tsy tazana nandritra ny lanonana ihany koa ireo lohandohan’ny mpisoron’ny Hvm Toamasina, sy ireo ekipan’ny PDS teo aloha.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.