Actualités

Fametrahana ny fandriampahalemana Mila fifampitokisan’ny vahoaka sy ny mpitandro ny filaminana


  • Alatsinainy 08 Jolay 2019

“Mitaky ny fijerena ny tombotsoa iombonana, ny fanandratana ny hambopom-pirenena, ny

 

 

 

famerenana ihany koa ny hasim-pirenena ka ny fifampitokisana izay apetraka dia hanaraka ny rafitra izay napetraky ny soatoavina Malagasy fa indrindra ny rafi-panjakana izay mandrafitra ny firenentsika.” hoy hatrany ny Praiministra Ntsay Christian nandritra ny fanokanana kaomisaria vaovao tany amin’ny distrikan’i Vatomandry any amin’ny faritra Atsinanana. Araka ny nambaran` ny Praiministra fa vonona ny governemanta amin` ny famerenana ao anatin’ny fotoana fohy, ny filaminana sy ny fandriampahalemana. Nanao antso avo amin’ny polisim-pirenena ihany koa ny tenany ny hanatanterahan’izy ireo ny asany satria manana adidy izy ireo amin’izay fahamendrehana sy fahamarinana takiana amin’ireo tompon’andraikitra, hampanjary ny zavatra rehetra atao sy hamerenena ny fifampitokisana eo amin’ny vahoaka sy ny mpitandro ny filaminana amin’ny ankapobeny, fa indrindra eo amin’ny vahoaka sy ny polisim-pirenena.  Tokony ho modely eo amin’ny fitantana araka izany ireo olona nomena fahefahana eny ifotony, toy ny préfet, chef district sns. Nambaran’ny Praiministra, araka izany, fa haverina any amin’ireo tomponandraikitra any anivon’ny faritra ny ampahan’ny fahefana, satria izy ireo no mahalala bebe kokoa ny laharam-pahamehana ho an’ny vahoaka eny ifotony, sy mahita akaiky ny maharary ny vahoaka. Ankoatr` izay, notokanana ny 05 jolay lasa teo ihany koa ny kianja filalaovana baskety, izay nohavaozina teo anivon’ny tobin’ny zandarimariam-pirenena “EP1” eto Mahazoarivo.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT