Actualités

Fametrahana ny fandriampahalemana Asa maharitra, mila faharetana


  • Talata 26 Janoary 2016

Natolotry ny praiminisitra ny filoham-pirenena omaly teny Iavoloha ilay “Rindra Safatsiroa ny sehatry ny fandriampahalemana”.

 

 Ny filaminana, fitsarana ara-drariny ary ady amin’ny kolikoly moa no fototra iorenan’ny fitondrana Rajaonarimampianina araka ny nambaran’ity farany vantany vao nandray ny toerana maha filoha azy tamin’ny 2014. Tsy takona afenina intsony anefa fa tena mandry an-driran’antsy ny Malagasy na an-drenivohitra io na any ambanivohitra, ka izany indrindra no nikaonan-doha sy nandrafetana paikady vaovao hametrahana ny fandriampahalemana eto. Andry 8 lehibe no iorenan’ny RSS dia ny tafika, ny polisim-pirenena, ny zandarimariam-pirenena, ny fitsarana, ny fitantanana ny lafin-tany, ny andrimasom-pokonolona, ny sampam-pitsikilovana, ny parlemanta ary ireo herivelona tsy miankina amin’ny fanjakana. Hapetraka ato anatin’ny volana maromaro ny rafitra hampandehanana ity RSS ity. Mila hentitra isika ary mila maharitra ihany koa, hoy ny filoham-pirenena satria tsy mora ity asa ity. Ankoatra ny mpitondra fanjakana sivily sy miaramila dia tazana teny Iavoloha koa omaly nanatrika izao lanonana fanolorana ny RSS izao ireo mpiara-miasa amintsika avy any ivelany tahaka ny Vondrona Afrikanina, ny SADC, ny firenena mikambana sy ny vondrona eoropeanina.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT