Tsy mankasitraka ny famerenana an’Ambohitrabiby ho kaominina ny ampahany betsaka amin’ireo vahoaka ao anatin’ireo fokontany 28 mandrafitra ny kaominina Talata Volonondry amin’izao fotoana izao
Sakana ho an’ny fampandrosoana rahateo no nanafoanana ny kaominin’Ambohitrabiby. Raha tsorina dia teo ny tsy fahafahana mizaka tena samirery satria nanatombo avo roa heny mahery amin’ny vola miditra ny trosan’ny kaominina. Voka-dratsy azo tsapain-tanana, ohatra, ny fikatonan’ireo sekoly fanabeazana fototra miisa 10 tahaka ny tao amin’ny fokontany Antanambao sy Tsarahonenana sy ny tsy fahafahana nampiditra rano fisotro madio. Olana iray hafa ihany koa ny momba ny tantaran’ny tanànan’Ambohitrabiby. Tsy mamparisika na tsy manavanana ireo mponina avy ao Ambohibao, Ambatomitsangana ny misoratra ao amin’ity toerana ity. Mibahan-toerana ny resaka politika amin’ity fikasan’ny fanjakana foibe hampisaraka ny kaominina Talata Volonondry amin’ny tanànan’Ambohitrabiby ity, araka ny fanehoan-kevitry ny mponina eny an-toerana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.