Actualités

Famerenan-danja ny vaky boky Tafiditra ao anatin’ny «fanekem-pandaharan’asa»


  • Alakamisy 20 Febroary 2020

Anisan’ireo fifanekem-pandaharan’asa (contrat programme) nataon’ny minisiteran’ny serasera sy kolontsaina tamin’ny filoham-pirenena ny famerenana ny vaky boky any an-dakilasy.

 

 

Tsorina fa tsy azon’ny mpianatra, indrindra ny any amin'ny faritra hatreto ny maha zava-dehibe, ilana ny vaky boky sy ny soa azo avy aminy. Nidina ifotony noho izany ny fitaleavam-paritry ny serasera sy ny kolontsaina any Atsimo Atsinanana, niaraka tamin’ny tompon’andraikitra (CLAC) nitondra fampahafantarana ny antom-piasan’ity «fanekem-pandaharan’asa» (contrat programme) iray ity, sady nanazava ny soa azo avy amin’ny fitiavana vaky boky. Tao amin’ny kilasy famaranana tao amin’ny Lyéee Tata Max any an-toerana no nanombohana izany. Hitohy amin’ny kilasy hafa izany noho ny fahasamihafan’ny fahatakaram-pahalalana. Niaraha-nanapaka tao fa hiaraka hanovo fahalalana ao amin’ny CLAC ireto mpianatra ao amin’ny kilasy famaranana ireto isaky ny sabotsy maraina, miaraka amin’ny talem-paritry ny serasera sy ny kolontsaina.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT