Actualités

Fambolena sy fiompiana Haka traikefa amin’i Aostralia i Madagasikara


  • Alakamisy 01 Oktobra 2015

Manantena ny fanampian’i Aostralia amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana omby vavy be ronono i Madagasikara raha araka ny fanambaran’ny praiminisitra omaly raha nihaona tamin-dRamatoa Susan Coles masoivohon’i Aostralia teny Mahazoarivo izy.

Goavana ny traikefa ananan’ity firenena ity eo amin’ny sehatry ny fambolena. Ankoatra izay, mitovitovy ihany ny toetr’andro ho an’ny firenena roa tonta ka vao miha hanamora ny fiaraha-miasa izany. Nampatsiahy ny praiminisitra Jean Ravelonarivo fa tokony ho sompitry ny ranomasimbe Indianina amin’ny famokaram-bary i Madagasikara ary afaka manampy azy amin’ny fanatrarana io tanjona io tsara i Aostralia. Anisan’ireo mpampiasa vola goavana eto amintsika moa ity firenena ity amin’ny alalan’ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany ataon’ny Rio Tinto (Tolaganaro) sy ny Toliara sands izay samy mitrandraka fasimainty.

RTT


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT