Actualités

Fambolena sy fiompiana Fototry ny fampandrosoana, hoy ny talen’ny MTC


  • Zoma 03 Martsa 2017

Hankalaza ny faha-15 taona niorenany ny 11 martsa ho avy izao ny Mad aid Training Center (MTC) etsy Nanisana na ilay ivontoeram-pampianarana ambony tsy miankina miompana amin’ny resaka agronomia sy tontolo iainana etsy Nanisana.

Toy ny efa fanaon’izy ireo dia homarihina amin’ny alalan’ny fambolen-kazo hotontosaina eny amin’ny saha fizaran’asan’izy ireo eny Imerintsiatosika izany. Hasaina manokana ho avy amin’izany moa, hoy ny tale jeneralin’ny sekoly, ireo mpianatra tranainy efa nandalo tao amin’ity sekoly ambony mba sady hanararaotra ihany koa hijoro vavolombelona amin’ny soa norantovin’izy ireo tao amin’ny sekoly. Maro tamin’ireo mpianatra ireo, raha ny fanazavana, no efa lasa tomponandraikitra any anivon’ny minisiteran’ny fambolena sy fiompiana any, miasa amina orinasa tsy miankina goavana, indrindra fa nahatsangana ny orinasany manokana. Safidin’ny sekoly manokana ny hifantoka amin’ny resaka fambolena sy fiompiana ary tontolo iainana satria io no fototry ny fampandrosoam-pirenentsika amin’ny maha tantsaha ny 80%-n’ny Malagasy. Manome vahana ny fampiharana noho ny lafiny teorika ao anatin’ny fampianarana, noho izany, ny sekoly, raha ny fanazavana hatrany.

Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT