Hatramin'ny volana oktobra, 20 mahery ny isan' ireo antontan-taratasy efa nalefa eo amin'ny rafitra miady amin'ny heloka fampiasana fitaovan-tserasera noho ny fanelezana vaovao tsy marina.
Miisa 2 na 3 isan’andro no fantatra fa voarain'ity rafitra ity. Tao anatin’ny volana maromaro dia mitobaka eo anivon'ny tambajotra serasera ny famoahana vaovao tsy marina entina hanakorontanana saim-bahoaka. Ny fampiasana kaonty tsy tena izy na "compte fake" no fomba hamoahan'ireo olona ireo izany vaovao izany. Azo arahina anefa izany "compte fake" izany, hoy ity rafitra ity amin'ny alalan' ny fanadihadiana ataon'ny manampahefana. Tranga farany dia iny fanelezana tsaho teo amin' ny famatsiana solika eto an-drenivohitra izay niteraka fanakorontanana firenena. Efa miroso amin'ny fikarohana ny atidoha mikotrika iny raharaha iny. Tsiahivina fa fampidirana am-ponja 6 hatramin'ny 10 taona sy fandoavana lamandy 600 000 ariary hatramin'ny 1 080 000 ariary no vesatra amin'ireo izay minia manao izany, araka ny voalazan'ny lalàna eo amin'ny andininy faha-19.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.