Tezitra ary efa ambivitra hirotaka ny mponina tao Manakara omaly taorian’ny fanapahan-kevitry ny Jirama mampandoa vola indray ireo mpampiasa rano,
nefa efa nataon’ny Fiadidiana ny tanànan’i Manakara maimaimpoana ny fakan’ny mponina rano amin’ireo paompy miisa 36 misy ao an-tanàna, fepetra izay nahazo fankatoavan’ireo mpanolotsaina monisipaly. Manan-kevitra ny hanitatra an’izany ho dimampolo mahery aza ny Kaominina, fa miandry ny volavolan-tentim-bidy ny hanaovan’ny Jirama sy ny fankatoavan’ny filankevitry ny tanàna ny fanatanterahana azy. Manao vatomanohariana anefa ny Jirama fa tsy manaiky ny hizarana maimaimpoana ny rano, fa hoe mifanohitra amin’ny lalàna mifehy ny rano (Code de l’eau) izany. Tezitra ny mpanjifa toy ny tao amin’ny Fokontany Ampilao, ary efa saika hirotaka teny amin’ny biraon’ny Jirama noho ny fikasan’ity farany hampandoa vola ireo mpanjifa mivantana indray nanomboka ny alatsinainy teo. Nanala fahasahiranana azy ireo rahateo ny tsy fandoavana vola amin’ny fakana rano amin’ny paompy. Raha nanontaniana ny Ben’ny tanàna Andriano Giscard dia nanazava fa ny Kaominina no manome maimaimpoana ny rano ho an’ny mpanjifa. Misy anefa ny fepetra napetraka amin’ny fampiasana ny rano sy ny fotoana fakana rano, ary efa misy misahana izany isaky ny paompy. Ny Kaominina no mandoa ny saran’ny lany rehetra any amin’ny Jirama, hoy izy, izay raha totaliana dia manodidina ny 5 tapitrisa Ariary isam-bolana eo, ary efa nahazoana fankatoavana avy amin’ny Filankevitry ny tanàna. Ny anjara vola tokony haloan’ny Jirama amin’ny Kaominina amin’ireo haba sy tamberimbidy samihafa alainy amin’ny mpanjifa anefa mananika ny 400 tapitrisa Ariary, hoy izy.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.