Mihoapampana ny trosan’ny orinasa Jiro sy Rano Malagasy izay mahatratra hatrany amin’ny 130 miliara ariary mahery ankehitriny, araka ny tsiliantsofina mandeha. Tsy mety mamatsy solika intsony ireo orinasa mpaninjara noho io antony goavana io. Ireo komandy voaloa vola sisa no mahazo famatsian-tsolika, hoy kosa ny fanampim-panazavana nomen’ny
tompon’andraikitra mpitantana tobin-tsolika iray. Manodidina ny 2 arivo tapitrisa ariary, ohatra, ny vidin’ny gazoala famatsiana ny foibe mpamokatra herinaratra eny Ambohimanambola, raha ny fanazavan’ny minisitry ny Angovo tamin’ny 24 septambra 2014 teo. Ahitana motera mpanodina herinaratra miisa 4 izay mandany solika 1000 litatra isan’ora anefa ny iray amin’ity toby mpamokatra herinaratra eto an-drenivohitra ity. Manampy trotraka ireo olana roa goavana ireo ny toe-bolan’ny fanjakana Malagasy izay valaky ny krizy lavareny miaraka amin’ny fitantanana gaboraraka nandritra ny tetezamita sy ny fiandrasana ireo fanampiana avy any ivelany tsy hita soritra mandrak’androany. Ny zava-misy aloha dia tsy maharaka amin’ny famatsiana herinaratra intsony ny orinasam-panjakana Jirama izay mahatonga ny delestazy manenika ny faritra maro eto amin’ny nosy ary tena maharitra ora maro mihitsy. Tsy mitsaha-mitombo ihany koa anefa ny vola takian’ity orinasa tokana mpamokatra herinaratra eto Madagasikara ity amin’ny mpanjifa izay mihari-pery aloha hatreto. Fa inona tokoa moa izany no hitranga raha miaina tanteraka ao anatin’ny haizina tanteraka ny vahoaka Malagasy ? Enga anie ka tsy ho tonga amin’izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.