Faritra maro no niharan`ny delestazy mahery vaika no efa notolorana vahaolana haingana nomena milina mpamokatra vaovao.
Misy no efa nahazo toa an`Antalaha, izay nahazo milina mpamokatra miisa efatra. Nisy ihany koa fampidirana milina vaovao any Sambava sy Farafangana ary Ankazobe ka hovinavinaina hihodina tamin`ny faran`ny herinandro lasa teo. Ho an`ny distrikan`Ankazobe manokana dia nikatso avokoa ny fiveloman`ireo mpandraharaha mandinika vokatry ny fahatapahan-jiro nisesisesy tao anatin` ny volana vitsivitsy. Manginy fotsiny ny firongatry ny fandriampahalemana ateraky ny tsy fisian` ny hazavana. Olana fahatapahan-jiro noho ny fahanteran`ny milina famatsian-jiro izay matetika simba no antony, hoy ny teo anivon`ny JIRAMA. Nandefa milina miisa roa, manana hery 200 kW sy 90 kW, izay hamaha ny filàna herinaratra ny fitondram-panjakana tamin`ny alalan`ireo mpiara-miombon`antoka ara-teknika sy ara-bola amin`ny fanatanterahana ny fanamby hanomezana hazavana isan-tokantrano sy ny ady amin`ny tsy fandriampahalemana. Nanomboka ny alakamisy 28 martsa lasa teo dia niala tamin`ilay hoe “Black out” ka niditra amin`ilay “delestage tournant” ny ao an-toerana taorian`ny fanamboarana ny milina. Araka ny vinavina, ny milina manana hery 90 KW dia hanomboka hamokatra amin'ny alahady raha ny iray hafa kosa, mitaky andro vitsivitsy, fa tsy mihoatra ny herinandro manaraka. Taorian'ny fanamboarana nataon'ny teknisianina dia naverina tamin'ny laoniny ny herinaratra. Ny antony dia ny iray amin'ireo gropy roa, miaraka amin'ny tanjaka 120 KW kanefa namokatra 45 KW fotsiny ary ny 25 KW hafa. Izany dia mahatratra 70 KW kanefa mila hery eo amin`ny 185 KW, izany hoe misy banga 115 kW. Miampy ireo fitaovana vaovao miisa roa ireo, dia hamokatra herinaratra eo amin`ny 360 kw ny tobim-pamatsiana herinaratra ao Ankazobe ka hovahana ny olan`ny delestazy. Tsy Ankazobe ihany no hisitraka fitaovana fa hiparitaka amin`ireo distrika miisa 23, izay isan`ny tena lasibatry ny fahatapahan-jiro, ny “groupe electrogène” miisa 35 izay efa tonga eto Madagasikara, toa an`Amboasary Atsimo, Ambovombe Androy, Ampanefena, Ambatondrazaka, Morondava, Ihosy, Maintirano, Vangaindrano, Bealanana, Mahabo, Morombe, Tsiroanomandidy, Miandrivazo, Antalaha ary Ankazobe. Ankoatra ireo milina miisa 30 ihany koa no ho tonga amin`ity taona 2019 ity.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.