Omaly tamin’ny 6 ora maraina no vita ny fanamboarana ilay fantsona lehibe mpitondra ranon’ny Jirama vaky teny Ambatoroka, araka ny fanazavan’Atoa Feno Randrianarisoa tompon’andraikitry ny serasera.
Ny fisian’ny lalan-drano teo ambony no nanimba sy nahavaky ity fantsona ity araka ny fanazavana ihany, tsy maintsy notapahana noho izany ny rano ny talata 26 aprily teo nanomboka tamin’ny 2 ora tolakandro ka io no niteraka fahatapahan’ny rano tamin’ny faritra atsinanan’Antananarivo sy ny teny amin’ny la Haute ville iray manontolo.Tsara ho marihana araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra fa efa tena antitra ity fantsona ity satria tamin’ny 1905 no nametrahana azy, mitovitovy amin’izany ny ankamaroan’ny fantsona mitsinjara ny rano eto Antananarivo ka mety ho noho izay no mahatonga ny lokon’ny rano ho miova satria maloton’ilay harafesenina ao anatin’ilay fantsona.Handeha miandalana kosa ny fiverenan’ny rano, hoy hatrany ny fanazavana ka ireo toerana akaiky an’i Mandroseza no ho tafaverina voalohany, omaly tolakandro ohatra no nanomboka nandeha ny rano ho an’i Besarety, Andravoahangy, Avaradoha; mety afaka 24 ora kosa vao hiverina ara-dalàna ny famatsian-drano any amin’ny toerana lavitra tahaka an’Ambohimangakely. Efa tena antitra ny fitaovana ampiasain’ny Jirama satria efa misy 110 taona, ilaina ny fanavaozana raha tiana hilamina ny famatsian-drano sy herinaratra; tena iankinan’ny ain-dehiben’ny firenena sy ny mponina ao aminy izany jiro sy rano izany ka rehefa io no tsy tomombana dia mety hikorontana ny zava-drehetra.Mila manana paikady matotra eo amin’ny sehatry ny angovo sy ny rano arak’izany ny fanjakana Malagasy mba hamonjena ny Jirama, raha tsy hoe efa misy ny ketrika any ambadimbadika any hamarotana azy amin’ny orinasa vahiny.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.