Actualités

Famatsiambola vahiny Tsy hanala ny fahantran’ny Malagasy


  • Sabotsy 10 Desambra 2016

Mbola matoam-baovao hatreto ny fampanantenana avy amin’ireo mpamatsy sy mampiasa vola vahiny ilay famatsiambola mitentina 10,2 miliara dolara tao Paris ny herinandro lasa teo.

Nitondra fanazavana bebe kokoa mikasika azy ity rahateo ny filohan’ny Repoblika Rajaonarimampianina Hery nandritra ny fahatongavan’ny delegasionina mafonja niatrika izany tao an-drenivohitra frantsay ny talata alina teo. «Trosantsika goavana ny ady amin’ny fahantrana fa tsy ny vola hindramina loatra», araka ny fanamarihany. Mifanohitra tanteraka amin’izay kosa anefa ny fanehoan-kevitry ny minisitra teo aloha ny dokotera Randriamiarisoa Joseph. Efa nahazo vola 5 miliara dolara mantsy ny fitondrana Amiraly Ratsiraka Didier. Nahatratra 7 miliara dolara ihany koa ny bolongambola nomen’ireo mpiara-miombon’antoka iraisampirenena ny filoha Ravalomanana Marc nandritra ny fitantanany ny firenena saingy tsy nanala ny fahantran’ny Malagasy izany, araka ny fampatsiahivana nataony. Manankarena anefa i Madagasikara fa ny fitrandrahana azy sy ny fahaiza-manao miaraka amin’ny fitantanana mahomby sy ny firaisankina no lesoka fototra tsy mampandroso ny fiarahamonina Malagasy, hoy ity mpanao politika ity.

Nangonin-dRamano F.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT