Actualités

Famatsiam-bola goavana Miandry amin’ny volana jona 2016


  • Sabotsy 24 Oktobra 2015

Dingana tsy maintsy nolalovana fotsiny ihany ny fihaonana nokarakarain’ny governemanta Malagasy notohanan’ny Banky iraisam-pirenena tany Lima ny fiandohan’ny volana oktobra lasa teo.

  

 

 

 

 Nandray anjara tamin’izy io moa ireo solontenan’ireo mpiara-miombon’antoka teknika sy ara-bola amin’i Madagasikara niaraka tamin’ny delegasionina Malagasy notarihan’ny minisitra mirahalahy Rakotoarimanana Gervais sy Raveloharison Herilanto. Fivoriana izay niompana betsaka tamin’ny fanomanana ilay fikaonandohan’ireo mpamatsy vola miaraka amin’ireo mpampiasa vola tsy miankina izay eritreretina hotanterahina any Paris amin’ny faran’ny volana jona 2016 handinihana ny famatsiam-bola lavitr’ezaka na goavana.  Niarahaba sy nampirisika ny governemanta Malagasy hanohy ny ezaka amin’ny fampiharana ny fandaharanasam-panavaozana fohy ezaka miompana amin’ny fampiakarana ny fidiram-bola ao amin’ny kitapom-panjakana, ny fitantanana mahomby ary ny fifehezana ny tetibola sy ny toekarena ankapobeny hiampitana amin’ny programan’ny fitondrana Paikady Natao Dinasa moa ny fiombonamben’ireo mpandray anjara. Mijanona amin’ilay 47,4 tapitrisa dolara ihany izany aloha hatreto ny famatsiambola azon’i Madagasikara avy amin’ny mpamatsy vola mahazatra taorian’ny fandalovan’ny iraky ny Tahirimbola iraisam-pirenena teto amintsika ny volana septambra 2015.

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT