Aoka izay ny kolikoly, aoka izay ny fanararaotam-pahefana, … aoka izay ny fivarotana ny tanin’ny kaominina. Manaiky ve isika ny hivarotana ny zaridainan’Antananinarenina, avereno amin’ny kaominina ny taniny,…
Ireo no isan’ny ampahan’ny tenin’ny Kandida ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina atolotry ny IRD tamin’ny fanambarana ofisialy ny maha kandida azy ny 12 septambra teo. Raha ny zava-nisy hatramin’izay, dia voatsindrom-paingotra voalohany amin’io ny olon’ny fitondrana ankehitriny, kanefa izy ao anatiny. Raha famarotana tanim-panjakana izany, dia isan’ny efa nifamoaka tsiambaratelo ny depiote IRD Atoa Naivo Raholdina, nilaza fa ny minisiteran’ny fanajariana ny tany tarihin’Atoa Hajo Andrianainarivelo dia nivarotra tanim-panjakana ka aleo ny karana no mahazo izany, toy izay ny Malagasy, hoy io depiote io. Rehefa nafana ny raharaha nitakian’ny mpiasan’ny fananan-tany ny famoahana ny Tale Jeneralin’ny fananan-tany teo aloha Atoa Hasimpirenena Rasolomampionona, izay mbola any am-ponja mandrak’androany, dia nivoaka tamin’ny fahanginany ny Praiminisitra lefitra sady minisitry ny fanajariana ny tany tamin’ny tetezamita Atoa Reboza Julien ny volana aprily, izay izy no nanasonia ny taratasy momba ny Villa Elisabeth. Lany depiote tamin’ny anaran’ny IRD io tompon’andraikitry ny fananan-tany teo aloha io, izay efa teo tamin’ny tetezamita. Raha ny lalàna rahateo dia ny minisitra no manasonia ny famarotana tanim-panjakana mihoatra ny 10a. Nambarany fa 150 hatramin’ny 200 isan’andro ny tany amidin’ny minisitry ny fananan-tany miaraka amin’ny “Domaines”. Ny olon’ny tetezamita tamin’izany, ary eo amin’ny fahefana ankehitriny mazava ho azy no tena tompon’ny afera famarotana tanim-panjakana, raha raisina ny tenin’io Praiminisitra lefitra teo aloha io sy ny depiote Naivo Raholdina. Nangina ilay raharaha Villa Elisabeth. Tanim-panjakana izany fa tsy tanin’olon-tsotra, ka tamin’izany izaho efa hiala dia nisy tany anankiray antsoina hoe: “Sainte Antoine” eny Alarobia Amboniloha tafasisika tamin’ny dosieko tao nampanasoniavina anay ohatra ny tanim-panjakana rehetra, dia namidy, hoy Atoa Reboza Julien. Toa vitavita ho azy ireny ankehitriny, saingy mamoha sy miteraka fampahatsiahivana ny tantara ny kabarin’ny kandida ben’ny tanàna atolotry ny IRD.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.