Tsy nihafahafa ny fomba filazan’ny avy eo anivon’ilay sampana iombonana ho an’ny fananantany na ny (SIF),
izay ivondronan’ireo mpisehatra mitolona ho an’ny fampanjariana izay resaka fananan-tany izay eto Madagasikara, manoloana ny lalàna mikasika ny fananantany ankehitriny izay lasa mamela ny vahiny hividy tany eto Madagasikara. Famonoan-tena no nanazavan’izy ireo azy tamin’ny alalana taratasy misokatra izay nalefan’izy ireo. Fampanofana tany ho an’ny vahiny no tena nahazatra teto hatramin’izay ary misy fetrany io fanofan-tany io, ny lalàmpanorenan’ny repoblika faha-4 lany tamin’ny 2010 kosa dia milaza eo amin’ny andininy voalohany manao hoe : “Ny fomba sy fepetra fivarotana ary fampanofana tany ho an’ny vahiny dia hofaritan’ny lalàna.” Io fanovanana io no tsy mazava satria dia toy ny midika fa afaka mividy tany eto ny vahiny ary misy lalàna arafitra hahafahana manao izany. Nanamafy ary ireto mpikambana ao anatin’ny SIF ireto fa fanaovana sorona tsotra izao ny ho avin’ny taranaka faramandimby ka anaovan’izy ireo antso avo ho an’ny vahoaka sy ny minisitera tompon’andraikitra sy ireo izay afaka mandray ny andraikitra tandrify azy rehetra ho fisorohana ny loza satria dia toy ny maika hanome fahafaham-po ireo vahiny toy ny efa nisy hatrizay indray io volavolan-dalàna io, hoy ny fanamarihan’izy ireo. Ho an’ny SIF ary dia tokony hanaovana fikaonan-doham-pirenena mihitsy hamantarana ny hevitry ny Malagasy ilay volavolan-dalàna momba ny fanoratana tany sy fanamboarana ny taratasin-tany. Aoka isika hisaina tsara sy hijery lavitra, hoy ny SIF.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.