Namoahana didy fampisamborana ny filohan'ny filan-kevitra monisipaly taloha Lalaina Berthnès izay tsy tonga nanatrika ny fitsarana azy omaly. Nampidirina am-ponja vonjimaika ny « conservateur des domaines » sy olona hafa tafiditra tamin'ity raharaha ity.
Mikasika ny raharahan-tany etsy Analamahitsy, dia noraran'ny fanjakana ny fanohizana ny fandravana sy ny fanatanterahana ny voalaza fa tompon'ny tany ny tetikasany. Raha ny loharanom-baovao iray anefa dia re fa mitady hataona minisitra iray aferafera izy io, ka itakiana vola 'ilay nahazo ny tany vao afaka manohy ny zavatra ataony. Re fa ny raharaha sy afera manomboka mivoaka amin'izao dia manana afera maloto ihany koa ny manam-pahefana iray tamina famarotana tanim-panjakana ny taona 2012. Voarohirohy amina afera tanim-panjakana maro ity ministra ity ary tsy tambo isaina ny isan` ny dosie momba azy. Tsy vitan` ny famarotana fa teo ihany koa ny fampanofana tanim-panjakana. Ankatoavina tokoa ny fifanekena lasitra momba ny fampanofana maharitra ela ny tanim-panjakana na tany vita baorina amin’ny anaran’ny Fanjakana Malagasy. Tany Mahajanga, ny Fanjakana Malagasy voasolo tenan` ny minisitra iray dia nampanofa amin’ ny RUCHI AGRI, ny tany atao hoe Mahajanga Greens, titra laharana faha T N* 5269-BT mirefy 17063 Ha 78 A 57 Ca izay misoratra amin`ny fanjakana Malagasy, ao Kaominina ambanivohitra Ankazomborona, distrika Marovoay, Faritra Boeny. Natao hambolena Pawlowiin, katsaka, vary,… Ny fampanofana dia nekena ka ny saran’izany dia ferana ho 3 ariary isaky ny 1 metatra toradroa na 511 913 571 ariary isan-taona. Raha ny lalàna 2008-014, andiany 21 no raisina, dia milaza fa ny fanjakana no masi-mandidy amin’ny ny fitantanana ny tanim-panjakana. Ka izay no mety manome vahana ireo mpitondra izay tonga eo hanao izay tiany. Raha ny zava-misy, tamin’ny andron’ny Tetezamita no tena nampirongatra azy io; tafaverina eo amin’ny fitondrana ireo olon’ny fitondrana tetezamita ankehitriny ka mafotaka ny fanenjehana, kanefa ny sasany amin’izy ireo ihany koa aza dia mila atao fanadihadiana lalina raha tena hikatsaka tokoa ny marina momba aferaferana tanim-panjakana.
.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.