Misy milaza fa mivarotra tany ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) ka voatonona tao ny zaridainan’Antaninarenina. Manambara sady manamafy mazava ny fiadidiana ny tanàna tarihan’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana fa tsy nivarotra ny zaridainan’Antaninarenina izany izy ireo.
Ny zavatra toy izany raha misy dia tsy maintsy mandalo fanapahan-kevitry ny Filankevitra Monisipaly. Ny zava-misy momba io zaridainan’Antaninarenina io, araka ny fanadihadiana nataon’ny CUA, namidy tokoa io zaridainan’Antaninarenina io fa saingy efa tamin’ny taona 1998 tamin’ny fitantanan’ny ben’ny tanàna Itompokolahy Guy Willy Razanamasy, niaraka tamin’ny sekretera jeneralin’ny kaominina Lalatiana Ravololomanana, ary ny filohan’ny Filankevitra monisipaly tamin’izany Atoa Lalaina Berthnès. Milaza ny kaominin’Antananarivo Renivohitra ankehitriny fa tsy afaka mivarotra tany ny kaominina. Ny Filankevitra Monisipaly ihany no afaka manao izany raha hisy. Mipoitra indray ity raharaha ity nanomboka tamin’ny taona 2018 noho ny fisian’ny fifampivarotana sy ny fisian’ny taratasy famindrana tompo (mutation) tandrifin’izany. Mety ho famelezana ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana sy ny ekipany indray ny zavatra toy izao. Ny CUA ankehitriny dia manamafy ny fanoherana ny fivarotana ny zaridainan’Antaninarenina, izay heveriny ho toy ny vakoka ara-tantara sy ara-kolontsaina ary handray fepetra hentitra tandrify azy mba hijanonan’io toerana io ho tanim-panjakana hatrany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.