Nangina sy tsy re tao anatin’ny fotoana naharitra ny praiminisitra lefitra nisahana ny fanajariana ny tany Reboza Julien, saingy niteny tamina onjam-peo tany Amboasary Atsimo manoloana ny raharaha famarotana ny Villa Elisabeth
, izay izy no nanasonia azy. Tsy mahafaly ny mpiasan’ny fananan-tany ny nanagadrana ny naman’izy ireo izay nanatanteraka baiko fotsiny fa ny minisitra tompon’andraikitra voalohany nanasonia ny dosie tsy mba voakitika. Raha ny lalàna rahateo dia ny minisitra no manasonia ny famarotana tanim-panjakana mihoatra ny 10a. Ho tapitra anio ny 48ora nomen’ny mpiasan’ny fananan-tany hanomezana fahafahana vonjimaika an’ireo namany, ary efa nohamafisin’izy ireo fa tokony hitovy ireo rehetra voakitika. Nambaran’io praiminisitra lefitra teo aloha io kosa fa tamin’izy minisitra VPM tamin’ny janoary 2014 dia nisy taratasy fifamarotana tanim-panjakana izay asan’ny minisitry ny fananan-tany no mivarotra tanim-panjakana. Asany andavanandro io, dia 150 hatramin’ny 200 isan’andro ny tany amidin’ny minisitry ny fananan-tany miaraka amin’ny “Domaines”. Tanim-panjakana izany fa tsy tanin’olon-tsotra, ka tamin’izany izaho efa hiala dia nisy tany anankiray antsoina hoe: “Sainte Antoine” eny Alarobia Amboniloha tafasisika tamin’ny dosieko tao nampanasoniavina anay ohatra ny tanim-panjakana rehetra, dia namidy, hoy izy. Te hilaza ho tsy tompon’antoka izany ity minisitra ity fa nanasonia an-jambany, izay toa manao resa-jaza ihany amin’ny lafiny iray, ary nibaboka ihany anefa izy fa tena nanasonia ilay taratasy (nasisika ???) namarotana ny trano fonenan’ny Pr Zafy. Toa tsy manan-tahotra firy satria amin’ny maha minisitra teo aloha azy, dia ny HCJ (Haute Cour de Justice) no afaka manenjika azy, ka toa zary hialokalofana io. Tsiahivina fa tao anatin’ny antoko AVI ny tenany, lasa TGV avy eo, ary amin’izao dia ao anatin’ny ABA miaraka amin’ny praiminisitra teo aloha Jean Ravelonarivo. Manohana an’i Andry Rajoelina ny Antoko ABA, ka rariny sy hitsiny raha mbola hanohana ny kandida tohanan-dRajoelina izahay dia ny IRD izany, hoy ity minisitra teo aloha ity. Manohana ny kandida Soja Jean André na Kaleta, izay milatsaka amin’ny anaran’ny IRD any Amboasary Atsimo ny tenany; mazava ny resaka eto fa tsy mifankafoy ny olon’ny tetezamita (2009-2014). Sokajiana ho olon’ny fitondrana sy afaka mialokaloka ao izany ity minisitra nanasonia ny famarotana ny toeram-ponenan’ny filoha teo aloha Zafy Albert ity. Asa na mbola tany tan-dalàna ihany i Madagasikara na tsia !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.