Actualités

Famakiana magazay misy siramamy Nanamora ny halatra ireo mpiambina tsy miankina


  • Alatsinainy 20 Oktobra 2014

Tsy nahalala ny fahavakisan’ny magazainy akory ity teratany karana mpandraharaha amin’ny fanafarana entana madinika avy any ivelany. Efa voasambotry ny FIP tamin’ny alalan’ny vaovao azony ireto jiolahy miisa 25 mianadahy

vehivavy tokana vao taitra nametraka fitoriana ilay teratany karana. Ireo mpiambina tsy miankina avy amin’ny orinasa “derrickx” no mpanamora ny fidirana ny magazay izay nanaovana fanalahidy dika mitovy. Raha ny fanazavan’ny Jly Ramilison Celestin lehiben’ny polisy misahana ny heloka bevava sy ny kaomisera Rakototiana Laubel misahana ny polisy ara-ekonomika ary ny kaomisera Rakotondrabako misahana ny “force d’intervention de la police (FIP)”, dia ny talata alina teo no tonga tao Tanandava ireto jiolahy niaraka tamin’ny kamiao nitaomana ireo siramamy milanja 40 taonina mitentim-bidy 64.000.000 Ar (80.000 Ar ny gony). Taorian’izay dia nahazo vaovao ny FIP Toamasina, ka ny alarobia ihany dia nanomboka ny fanaraha-maso na tsy mbola nametraka fitoriana aza ilay karana tompon’entana, koa tratra teo am-pizarana vola ireo jiolahy 25 mianadahy raha tafaporitsaka ilay voalaza fa tena “patron” atidoha tamin’ny halatra. Tratra taorian’izay koa ny 2 taonina tamin’ireo siramamy 40 taonina nangalarina. Anio no hiakatra fampanoavana sy mpitsara mpanao famotorana ireto jiolahy ireto. Ankoatra izany, tratra ambodiomby teo am-pangadiana ny fantson’ny galana tao anaty seranan-tsambo manakaiky ny orinasa Mocco i Jean Dieu na Bernard sy Fotsy ny talata teo tokony ho tamin’ny 11ora alina. Raha ny fanazavana dia tao an-damosin’ny seranana faritra falehan’ireo mpanjono no nidiran’ireto jiolahy ireto. Tratra niaraka tamin’izy ireo ny fitaovana fangalarana. Niaiky ny zavatra nataony ireto jiolahy ireto, izay hiakatra fampanoavana anio.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT