Efa diso tafahoatra ny fanararaotana miendrika halatra ataon’ny Jirama momba ny vidin-jiro sy rano ka maro ny olona nitaraina mivantana mihitsy taty amin’ny gazety rehefa voarirarira na nahazo valy boraingina avy any amin’ny tompon’andraikitry ny Jiro sy rano Malagasy.
Nisondrotra 20% ka hatramin’ny 100% mihitsy mantsy ny faktioran’ny tokantrano sasany ka io no tena nanaitra sady nahatezitra ireo mpanjifa.
Kajy tsy mitombina
Nitokona efa ho roa volana ny mpiasan’ny Jirama ka tsy nanao ara-dalàna ny asany tamin’ny fakana ny « index » na ny mariky ny jiro sy rano lany ao amin’ny kaontera tao anatin’ny roa volana nifanesy dia ny aogositra sy septambra. Vokany, nilaza ny Jirama fa kajy avy amin’ny salanisa no nanaovana ny faktiora rehetra. Tsy nazava tsara tamin’ny mpanjifa anefa ny nanaovan’ny jirama io « moyenne » na salanisa io. Lasa ambony dia ambony ny fatran-jiro sy rano lany hita ao anatin’ny faktiora na dia teo aza ny delestazy. Raha manodidina ny 8 m³, ohatra, ny rano lanin’ny tokantrano iray isam-bolana dia 25 m³ be izao no hita ao amin’ny faktiora volana septambra, nisy aza mpandany 5 m³ dia lasa 60 m³ be izao avy hatrany. Tahaka ny hoe nameno dobo filomanosana ve izany io olona io ? Ny jiro koa dia ahitana fahasamponana tahaka izany. Raha fandaniana mahazatra manodidina ny 65 kwh isam-bolana, ohatra, dia miova tampoka ho 150kwh. An-kilan’izay daty mifanitsaka izay, midika fa lainga be tsotra izao no soratana ao anatin’ilay karatra mirakitra ny fanaovana ny « relevé » isam-bolana. Hoy ny raim-pianakaviana iray : « fantatra mazava tsara fa sahirana ara-bola ny Jirama, ary mbola nanampy trotraka izany ny fanaovana ny grevy lavareny, saingy tsy izahay mpanjifa kosa no hotangosana ka hameno ny banga amin’ny vola tsy ampy e ! ». Sarotra ho an’ny tokantrano zatra nanefa jiro sy rano mitambatra 40 000 Ar isam-bolana ny handoa 70 000 Ar, mainka fa raha faktiora 2 mitambatra amin’izao volana oktobra nampidirana ny mpianatra izao. Mandrangaranga fanapahana avy hatrany anefa ny Jirama raha vao tsy voaloa ara-potoana io volabe io. Antenaina fa hisy ny fanazavana misimisy kokoa miampy fanitsiana izay tsy nety fa tsy ny olon-tsotra vahoaka madinika foana no hibaby ny fahoriana rehetra eto ary tokony hahay mandray olona sy miresaka koa ny mpiasan’ny Jirama fa tsy be fandrahonana sy manao teny an’avona isaky ny mihetsika.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.