Actualités

Fakon’Antananarivo Tsy avy amin’ny kaominina mihitsy ny olana


  • Talata 02 Oktobra 2018

Nitondra fanazavana momba ny fanalana fako ny eo anivon’ny kaominina Antananarivo tamin’ny alalan’ny lefitra voalohan’ny Ben’ny tanàna Kolonely Ramboasalama Emilien, omaly.

 

 

 

Ny kaominina dia maka ny fako miala eny amin’ny dabam-pako izay eo ambany fitantanan’ny minisiteran’ny rano sy ny fidiovana ary ny fahadiovana, ary mitondra azy mankeny Andralanitra. Tsy ny kaominina Antananarivo Renivohitra no tsy manao ny asany fa ny olana dia ny avy eo amin’ny kaomisionina nasionaly momba ny tsenan’asa tahaka ireny no tsy manolotra ny anaran’ny mahazo ny asa na ny “préstataires” an’ireny kamio ireny, dia ny CUA no mandoa azy fa tsy misy avy amin’izy ireo mihitsy no mahatonga an’io, hoy izy. Ny CUA dia efa manao ezaka na tsy anjarany aza, ka efa mandefa kamio manampy ny SAMVA manala ny fako eny amin’ireny daba ireny satria ny fahasalamana no zava-dehibe. Efa nisy ny fivoriana natao tao amin’ny filoha mpisolo toerana Rivo Rakotovao, ka noho izay olana momba ny lisitry ny kamio tsy mivoaka avy any amin’ny kaomisionina nasionalin’ny tsenan’asa, dia nisy ny fanetsehana ny  BNGRC any amin’ny Prefektiora, izay tokony ho 8, fa manana ny lehibeny izy ka 3 no nahetsika amin’izao. Tanjona ny hitandroana ny fahadioavana sy hisorohana ny valanaretina toy ny pesta. Ny manadio sy mitondra ny fako eny amin’ny daba moa no anjaran’ny kaominina.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT