Am-perinasa ny foibe hanodina ny fakon’ny tanŕnan’i Toliara ho lasa zezika sy hamokarana etona fandrehitra ary gazoala, ao Amboriha, Kaominin’i Belalanda, Toliara faha-2.
Am-perinasa ny foibe hanodina ny fakon’ny tanànan’i Toliara ho lasa zezika sy hamokarana etona fandrehitra ary gazoala, ao Amboriha, Kaominin’i Belalanda, Toliara faha-2. Izany dia vokatry ny fiaraha-miasan’ny kaominina ambonivohitr’i Toliara sy ny Tetikasa fanadiovana ny tanànan’i Toliara (PASSAT) ary ny fikambanana alemana Welt Hunger Hilfe. Fako 40 taonina isan’andro no angonina any amin’ireo fokontany miisa 41 ao Toliara. Niteraka asa 300 ny foibe ary fianakaviana 20.000 kosa no mahazo tombontsoa amin’ity tetikasa fanodidina fako ity. Mandeha amin’ny herin’ny masoandro daholo ny milina ao amin’ity foibe ity, ary izany koa no manome herinjiro ho an’ny tanànan’i Belalanda. Notokanana ny alarobia 14 desambra teo ny fotodrafitrasa.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.