Actualités

Fakon’Antananarivo Ariana eny Alasora mandritra ny roa andro


  • Alarobia 20 Janoary 2016

Miara-miasa ny minisiteran’ny rano sy ny fanadiovana ary ny fidiovana sy ny kaominina Alasora amin’ny fitadiavam-bahaolana mikasika ny fakon’Antananarivo Renivohitra.

 

 Fantara mantsy fa misy ny fahatapahan’ny lalana eny Andralanitra  ka mandritra ny fanamboarana dia  hatoby ao amin’ny toerana fanariam-pakon’ny kaominina Alasora ny fako mandritra ny roa andro. Rehefa vita ny asa fanamboarana dia hotaomina mankany ireo fako. Raha misy moa ny fahasimban-dalana mandritra ny fitaomana ireo fako dia tompon’andraikitra amin’ny fanamboarana ny minisitera. Amin’ny 8  ora alina ka hatramin’ny 4 ora maraina ihany no fotoana azo itaomana ireo fako ireo. Hanampy ny Kaominina Alasora ny minisitera amin’ny fandraofana ny fako ary hanolo-tanana ihany koa izy ireo amin’ny fanadiovana ny tanàna sy ireo lakandrano tsentsina ao amin’ny kaominina. Tsara ho fantatra fa ny fiaraha-miasa amin’ity Minisitera ity no nahazoan’ny kaominina Alasora ny famatsian-drano amin’ny alalan’ireo paompin-drano maro manerana ny kaominina ary mbola mitohy izany. Nahitana trangan-javatra hafahafa ihany anefa teny an-toerana omaly maraina. Nisy andian’olona tonga mantsy teny manohitra ilay fanariana ny fako. Efa nolavin’ny mpanolotsain’ny tanàna ity fiangavian’ny minisiteran’ny rano ity saingy notanterahana ihany kosa ho fitsinjovana ny tombontsoan’ny vahoaka amin’ny lafiny rehetra.


Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT