Mahatratra 1.200 taonina isan’andro ny fako raofin’ny SAMVA eto an-drenivohitra amin’izao hampiasana fiarabe miisa 30 izay an’ireo mpiara-miombon’antoka ny ankamaroany. Mitaona fako 15 m3 isaky ny mandeha ireo fiara ireo mampiasa olona 369 mivantana raha mahatratra 770 kosa rehefa tena betsaka ny asa.
Na izany aza anefa dia mitombo hatrany amin’ny 4,5 % isan-taona ny habetsaky ny fako, raofina eto an-drenivohitra, indrindra rehefa fotoam-pahavaratra izay nahatratra 173.000 taonina tamin’ny taona 2013. Mitaky vola ny fanatanterahana izany, indrindra fa ny solika ampiasain’ireo fiarabe mpitatitra ny fako izay mahatratra 4.000 litatra isan’andro. Nanova ny fomba fiasany, araka izany, ny SAMVA hialana amin’ny trosa mety hiavosa ka isam-bolana izy ireo sisa no mandoa ny volan’ireo mpiara-miombon’antoka ankoatra ny fanatsarana ny fitaovana hampiasaina. Mankalazana ny faha-20 taona nijoroany ity sampandraharaha iray misahana ny fandraisana sy ny fikirakirana ny fako eto an-drenivohitra ity nanomboka ny herinandro teo. Hetsika maro loha no entiny hanamarihana izany izay efa nosantarina tamin’ny fotoam-pivavahana nentina nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra. Anisan’izany ny varavarana misokatra tanterahiny etsy amin’ny DLC Anosy mandritra ny roa andro entina hampahafantarana ny lalana nodiavin’ity sampandraharaha iray ity nandritra ny 20 taona.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.