Actualités

Fako vita fety Henjana ny asa miandry ny kaominina


  • Talata 03 Janoary 2017

Henjakenjana ny asa fanadiovana miandry ny kaominina Antananarivo renivohitra (CUA) nanomboka omaly amin’ny fanalana ireo fako eto an-drenivohitra

. Nitombo avo telo  heny tamin’ny mahazatra mantsy izany raha ny fako hita teny  Tsaralalana, Pavillon ary Analakely sy ny manodidina  indrindra taorian’ny fetin’ny faran’ny taona sy taom-baovao. Ho an’ny faritra Tsaralalana manokana dia ireo vakina tavoahangy, baoritra mofomamy, taratasy fanonina fanomezana, sobika miampy tranon-tsakafo plastika maro samihafa no tena nameno ny tanàna. Ny kesika  tranom- boankazo efa lany,  ny potin-kanina miampy bozaka…ny harina nampiasaina avy nanaovana masikita… kosa no tena nameno ny tetsy amin’ny pavillon Analakely arahin’ny rano maloto miandrona etsy sy eroa nateraky ny ranon’orana. Omaly vao maraina  araka izany dia efa nirotsaka nanadio sy nanara-maso ny teny amin’ny manodidina ny mpiasan’ny kaominina hahafahana mamerina ny fahadiovan’ny tanàna amin’ny laoniny. Ankoatra izay dia fantatra ihany koa fa manomboka mivangongo izaitsizy ny fako eny amin’ny tsenan’Anosibe amin’izao fotoana izao. Ny hoditra voankazo toy ny manga, ny lodisia no tena betsaka amin’izany fako izay hiangona nandritra ny fety ihany koa ary mila fikarakarana maika.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT